Ny taona 2023, nisy andiany efatra ny fanaovam-baksiny hiarovana amin’ny aretina poliomelita. 5 tapitrisa mahery ny ankizy vao teraka hatramin’ny 59 volana nahazo ny fatra
tamin’izany, ka nahatratra 99,8% ny tahan’ny fahavitam-baksiny. “Ho an’ny andiany voalohany, tamin’ity taona ity, ny 14-17 mey lasa teo, 13 268 649 ireo ankizy latsaky ny 15 taona nahazo vaksiny. Nisy fiantraikany tamin’ny aretina poliomelita ny vokatr’ireo ezaka ireo”, hoy ny tomponandraikitra. Niditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika fanaovam-baksiny faobe ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona, tamin’ity herinandro ity. Nitety tokantrano ny mpanentana ara-pahasalamana mitondra ny vaksiny ho an’ny ankizy ankoatra ny eny amin’ny CSB rehetra. Ampiarahina amin’io hetsika io ny fizarana vitamine A ho an’ny ankizy vao teraka hatramin’ny 59 volana tsy mbola nisitraka izany tao anatin’ny enim-bolana farany. Hitsinjara ny fanafody fiarovana amin’ny aretina “filariose” amin’ny faritra telo: Sava sy Sofia ary Analanjirofo koa ny mpanentana ara-pahasalamana.
Hisy hetsika fizarana fanafodin’ny aretina bilarziozy kosa ny faritra telo: Betsiboka, Boeny ary Melaky, ny 23 ka hatramin’ny 27 jolay. “Ndao hampanao vaksiny miaro amin’ny poliomelita ny zaza sy ny ankizy latsaky ny 15 taona” ny lohahevitra itondrana ny asa rehetra amin’ity taona ity.
Vonjy