Handray lalao iraisam-pirenena i Madagasikara, ny taona ho avy io. Efa mitsangana ny fikambanan’ny mpilalao bisikileta aty amin’ny ranomasimbe Indianina, izay tarihin-dRelaha Jean Claude, filohan’ny Federasiona malagasin’ ny bisikileta.
Nambaran-dRelaha Jean Claude, filohan’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta, omaly, fa horaisin’i Madagasikara, amin’ny taona 2025 ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, andiany faharoa. “Miantso ny fitondram-panjakana mba hanohana ny Federasiona amin’ny fandraisana ity fifanintsanana ity”,hoy i Relaha Jean Claude, lehiben’ny bisikileta malagasy.
Nomarihiny ihany fa efa nalefa any amin’ny federasiona iraisam-pirenena (UCI), ny taratasy mampiseho ny fijoroan’ny fikambanan’ny bisikileta aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Tsara ny mampahatsiahy fa hitantana izany mandritra ny roa taona, i Relaha Jean Claude. Aorian’i Madagasikara, handray ity fifanintsanana ity, amin’ny taona 2026, ny Nosy la Réunion, ary hatao any Comores kosa ny taona 2027.
Tsiahivina fa notontosaina tamin’ny 29 jona hatramin’ny 3 jolay lasa teo, tany Maurice, ny andiany voalohan’ity fifaninanana ity.
Hofoanana ny klioba tsy manana “Licence”
Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny volana aogositra ho avy izao, eto Antananarivo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Nilaza ny tomponandraikitry ny taranja bisikileta eto Madagasikara fa hanatanteraka fivoriana ara-potoana (AG) izy ireo ka horesahina amin’izany ny tsy maintsy hanaovan’ireo klioba rehetra taratasim-pilalaovana, “Licence”. “Hofoanana ireo kioba tsy mikarakara izany, ary ho hentitra ny Federasiona ”, hoy ihany ity filohan’ny FMC ity.
Fitia Randria