Tsy ho tsangan’olona…

 

Vao tsy manomboka akory ny fandrafetana ny birao maharitry ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza dia miely sahady ny feo amin’ny fanaparitahana vola mba ho voafidy ny « debadeba » ao amin’ny tanàna. Na ny lalàna anatiny hifehy ilay andrimpanjakana aza anefa mbola vao hovolavolaina. Tokony ho vita omaly, saingy toa rava maina indray.
Raha ny fantatra, nampanantsoin’ny lehibe isan’ambatongany teny amin’ny foiben’ny antokony izy mianakavy. Toa miovaova rahateo ny fivoaran’ny toe-draharaha eny an-dapa. Ny samy mpiray antoko rahateo no mifanipaka an-toerana amin’izao fotoana izao. Miady ny samy ho lohany, mitady hirika ny hisongonana ny namana. Misy ny miantehitra tsindry bokotra, ny hafa mampiasa ny any anaty poketra.
Tsy moramora ny fandrindrana ilay fahasamihafana ao Tsimbazaza. Manampy trotraka ny tanjaky ny mahaleo tena izay misy ny tsy manaiky lembenana. Tsy manaiky ny tsindry avy amin’ny mpanatanteraka ka hamadika ny vahoaka nifidy azy. Vonona ny hanohana sy hiara-miasa amin’ny fitondrana tarihin’ny filohan’ny Repoblika izy ireny. Tsy manaiky kosa anefa ny hamadika palitao ka hiofo ho volomboasary.
Zava-dehibe ho an’ny fitoniana sy ny fiandrianan’ny fahefana « Rajoelina » anefa izany, satria mipetraka mazava tsara ny hery ho mpamerin-doha sy mpanakana izay mibirioka. Firenena mendrika hanana mpitondra misy hazon-damosina rahateo i Madagasikara. Olom-panjakana tsy mpihinana am-bolo fa mahay manavaka ny vary amin’ny tsiparifary.
Mila mijoro sy manana ny maha izy azy ny rehetra rehefa nomena herijika handray andraikitra. Tsy tokony ho tsangan’olona, mpanangan-tanana. Fa mpitondra tsangan-kevitra hanova zavatra.
Mila fanatsarana sy fiovana goavana rahateo i Madagasikara, eo amin’ny tontolo politika. Tsy olom-baovao ihany fa fihevitra vaovao ihany koa.

r.r

Partager sur: