VAOVAO TAMBATRA

Vita ny 25% ny asa amin’ny fanarenana ny vahilava Kiembe ao an-tampon-tanànan’i Toliara. Mitotaly 4 927 m ity lalana ity ary 7 m ny sakany. Enje­hina ho vita amin’ny faran’ity taona 2024 ity ny asa rehetra. Mampifandray ny fokontany Akiembe, Mo­tom­be ary Andranomena ity vahilava ity. Mamatsy vola ny fanatanterahana azy ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI).

Feno 10 taona ny nahavitan’ny seranan-tsambon’Ehoala any Taolagnaro. Maherin’ny 1 400 ny sambo efa nivezivezy tao ary nahatratra 64 ny sam­bo nitondra mpizahatany, nanomboka ny taona 2014. Anisan’ny tena ampiasana azy ny fitaterana ny fasimainty vokarin’ny orinasa QMM sy ny mitondra ny akora fototra ilain’izy ireo avy any ivelany. Eo koa ny sambo mitondra entam-barotra.

Vinavinaina ho tonga anio ny sambo mitondra ny solika mavesatra ho ampiasain’ny orinasa Jirama, hampandehanana ireo milina mamokatra herinaratra ao aminy. Mbola mitohy, araka izany, ny fampiatoana ny famatsiana herinaratra mifandimby ho an’ ny tambajotra iraisan’Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Efa manomana ny fandaminana ny fitaterana ny solika miakatra aty Antananarivo ihany koa ny tomponandraikitry ny Jirama.

Partager sur: