Barea de Madagascar : hohatevenina mpilalao 4

Nambaran’Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, teny Tsimbazaza ny talata lasa teo, fa ho hatevenina mpilalao efatra ny Barea de Mada­gas­car, mialoha ny hiatrehana ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”. Anisan’ ireo efa mifampiresaka tsy tapaka amin’ity mpitantana ny baolina kitra malagasy ity, i Francis Coquelin. Amin’izao fotoana izao, eo am-pamaranana ny filalaovany ao amin’ny Villareal FC ny tovolahy. Araka izany, mbola mifantoka eo am-pitadiavana klioba vaovao ho an’ny taom-pilalaovana 2025 izy.
Tsiahivina fa imbetsaka no voatonona fa ho avy hilalao ao amin’ny Barea de Madagascar ny tenany saingy tsy mbola tanteraka izany hatreto. Ankoatra azy, mbola hisy mpilalao telo hafa hantsoina hanampy ny Barea de Madagascar, amin’ireo lalao roa hatao ny volana septambra ho avy izao. Efa hanainga atsy ho atsy hijery izany ny mpanazatra miaraka amin’ny filohan’ny federasiona raha tsy misy ny fiovana farany.

Tompondaka

Partager sur: