Depiote Maminirina Jolce Emilien : “Apetraka ny lamina anatiny alohan’ny fifidianana birao maharitra”

Vaovao avokoa ny ankamaroan’ny solombavambahoaka voafidy eo anivon’ny Antenimierampire­nena, hitondra mandritra ny dimy taona manaraka. Ni­tombo 163 ny isan’izy ireo manerana an’i Madagasikara. Nivory nametraka ny lamina sy ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena izy ireo. «Rariny ny ametrahana io fitsipika mifehy ny ao anatiny io alohan’ny fifidiana ireo birao maharitra, mba hifampifehezahana ao anatin’ny Anteni­mie­rampirenena”, hoy ny so­lombavambahoaka voafidy tany Manakara, Maminirina Jolce Emilien, raha nanontanian’ny mpanao gazety tetsy Tsimbazaza, omaly. Namba­rany fa mandinika sy mana­paka izany ireo solontena isaky ny vondrona eo anivon’ ny parlemanta. Nohamafisiny fa rehefa vita izay fitsipika izay vao tokony hiainga ny fametrahana ny toerana isan’ambaratongany handrafitra ny birao hitantana.

Laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalàna

Laharam-pamehana avokoa ny zavatra rehetra, ho azy, mandritra ny fe-potoana maha solombavambahoaka azy. “Zava-dehibe ny tokony ha­namboarana ireo lalàna maromaro sy ny fanarenana ny lafiny ara-tsosialy, toy ny fanamboaran-dalana eny anivon’ny kaominina”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa miteraka olana maro samihafa eo amin’ ny mponina ny haratsin’ny lalana sasany amin’ny ankamaroan’ny toerana.

Mino

Partager sur: