«Euro 2024» – Espagne (2) – (1) France : mitaky ny hialan’i Deschamps ny Frantsay

Nifarana teo amin’ny dingana manasa-dalana, ny dian’ny Les Bleus France teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “Euro 2024”. Noravan’ny La Roja Espagne ny nofinofin’ny Frantsay handrombaka indray ny amboara. Ny talata lasa teo, tao amin’ny kianja Munich, lavon’ny Es­paniola tamin’ny isa tery 2 no ho 1 izy ireo. Taorian’iny lalao iny, nankahery ireo mpilalao i Emmanuel Macron filoham-pirenena, raha mitaky ny fia­lan’i Deschamps kosa ny mpijery sy ireo mpanao gazety.
Raha ny fizotran’ny lalao, nanokatra ny isa voalohany ny frantsay, tamin’ny alalan’i Kolo Muani, teo amin’ny minitra faha-9, taorian’ny tolotra tsara nataon’i Mbappé ary niantefa teny amin’ny lohany izay nampiditra izany malalaka. Efa tany amin’ny minitra faha-21 vao tonga ny valin-kafatra ho an’i Espagne, taorian’ny daka mihodina nataon’i Lamine Yamal. Sahala 1 sy 1 ny isa teo. Samy niezaka nanafika ny roa tonta saingy nahay nanararaotra ny valim-panafihana ny La Roja, ka nampiditra ny baolina faharoa i Olmo, teo amin’ny minitra faha-25. Daka izay voadonan’i Koundé, ka nanamora ny baolina hiditra tany anaty haraton’ny frantsay. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa, 2 no ho 1 io.
Fizaram-potoana faharoa, nanindry ny frantsay, saingy nisavoana hatrany ny dakan’i Mbappé sy i Griezmann.

Tompondaka

Partager sur: