Hiffim : “Mila zava-baovao ny vahoaka”

“Mila zava-baovao ny va­hoaka malagasy, mila fihetsiky ny filohan’ny Repoblika mampiseho fitaratra vaovao hahatonga ny olona havitribitra handeha any amin’ny fampandrosoana”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andria­miseza Alain, momba ny fa­nanganana governemanta vaovao. Endrika vaovao hitondra ho amin’ny fanavotam-pirenena izany. Hitondra ho amin’ny fampandrosoana izay governemanta hijoro eo, hahita izay laharam-pahamehana voalazan’ny politikan’ny filohan’ ny Repoblika sy ny polikam-pirenena. Tsy maintsy izay no jerena ary hametraka governemanta vonona hanala ny fahasahiranan’ny Malagasy, izay mbola hisy krizy mafimafy no ho izao raha izao no mitohy, araka ny nambarany. Tsy ha­nova na inona na inona ny fa­nohanan’ireo depiote tsy mian­kina ny fitondrana. Satria efa manana depiote 84 ny Iramar. Azy ny maro anisa feno sy tanteraka, hahazoany mifidy izay tiany hofidina ho filohan’ ny Antenimierampi­renena sy hatolotra ho Prai­minisitra.

R. Nd.

Partager sur: