Izao vanim-potoana izao no manesika sy manosika mafy ny hetaheta hiverina eny an-doharano sy ny fikarohana ny fototra, raha ny nambaran’ny mpikaroka maro. Ny vanim-potoana antsoina hoe « ère de verseau » no mahatonga izany, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. Ho an’ny Malagasy, ny tora-po no betsaka. Tafajanona hatreo amin’ny endrika ivelany ihany ny faniriana…
Mitady ny fototra kanefa mandrangaranga sy miloloha ny an’ny hafa. Misava ravina, saingy, mitsangam-bolo vao maheno hoe « raokandro ». Tia lingilingy, kanefa, fanina raha vao lazaina fotsiny hoe : « andao hitafa amin-Janahary eny an-tendrombohitra ».
… Kanefa, dedaka sy mangata-pijery rehefa miakanjo malabary sy mitafy lamba vita amin’ny landy any amin’ny fampakaram-bady. Tsy mety miala eny an-tsehatra, raha mba mihira kalon’ny fahiny amin’ny « mariazy ». Miedinedina eran’ ny trano, raha mba tsofin-drano handaha-teny… Hatreo ihany anefa, dia izay !
Manana ny maha izy azy, hono, ny Malagasy. Tena izay tokoa. Iray amin’ireny ny fanaovana tora-po, etsy, tora-po eroa !
HaRy Razafindrakoto