IKM Antsahavola : hiverina ny « Antsika Hisôma vakansy »

Maro isan-karazany ireo hetsika mandravaka izao fialan-tsasatra lehibe izao. Anisan’ny fotoana ihany koa hialana voly sy hianarana zavatra hafa ivelan’ny fianarana, indrindra ho an’ny ankizy.

Hotanterahina eny amin’ny Ivon-toeran’ny Ko­lon­tsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny 16 jo­lay 2024 hatramin’ny 16 Ao­gositra 2024, ny « Antsika Hi­sôma vakansy ». Hetsika ara-javakanto sy kolontsaina maroloko izy ity, karakarain’ny IKM ho fampialana voly sy fampivelarana ny zavakanto sy kolontsaina amin’izao fialantsasatra izao. Ireo ankizy no vondron’olona tilin’ny hetsika. Tanjona ny hitaiza sy hampiala voly ireo ankizy amin’ny alalan’ny zavakanto sy kolontsaina, hitondra fahalalana ho azy ireo.

Tonga indray ny « Antsika Hisôma vakansy », izay anisan’ny manamarika ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra. Amin’ ity andiany ity, hisy ka­razana hetsika telo mandritra izany, ahitana ny “kilonga mi­faly”, “Sahy an-tsehatra”, “An­kizy mialavoly” ary “Tola­kandro misôma”. Noho ny fisian’ny zara taona maro samihafa mandray anjara amin’ny hetsika no antony nisian’izany fizarana izany. Ny “Kilonga mifaly”, natao ho an’ny ankizy 6 hatramin’ny 12 taona, ahitana tsikonina sy angano ary fanaovana taozavatra. Ny “Ankizy mialavoly” sy “Sahy an-tsehatra” kosa natao ho an’ny 13 hatramin’ny 16 taona. Hita ao anatin’izany ny fianarana taozavatra sy ny momba ny zavakanto am-bava ary ny paikady entina miaka-tsehatra. Fijerena horonantsary sy filalaovana kilalaon-tsaina kosa no handravaka ny fandaharam-potoanan’ny “Tolakandro misôma”.
Ankoatra ny fialantsasatra sy fakan-drivotra, anisan’ny mampivelatra ny saina ihany koa ny fialam-boly sahala amin’izao karakarain’ny IKM izao, indrindra noho izy mitondra fahalalana sy mampahafantatra zava-baovao.

Lin

Partager sur: