Nanazava ny drafi-panarenan’ny Jirama ny tale jeneraly (DG), Ron Weis, omaly. Niaiky ny tenany, fa maro ny olana sedrain’ny orinasa satria efa tena antitra, 118 taona, ny fitaovana. Misy koa ny efa mihoatra ny 60 taona. « Efa nahavita fanarenana maromaro ny Jirama nanomboka izay 2 volana nitantanako ny Jirama izay, saingy tapaka noho ny antony maro », hoy izy. Anisan’ny zava-bita ny fanoloana kaontera, ny tariby mitondra herinaratra nisy nangalatra. Hotohizana ny fampidiran-jiro vaovao. Mikasika ny rano, anisan’ny vahaolana ny hananganana toby famatsian-drano vaovao, entina hampitomboana ny vokatra, satria io no anisan’ny tena mampikaikaika ny mpanjifa, ankehitriny.
Trosa 1 500 miliara Ar
Nohazavain’ny DG Ron Weis ihany koa fa tonga ao Toamasina, omaly, ny sambo nitondra ny solika mavesatra. Hiandraikitra ny fitaterana azy aty Antananarivo ny kaompania Jovena. Mbola mitohy omaly sy anio, noho izany, ny delestazy mifandimby.
Manodidina ny 1 500 miliara Ar ny trosan’ny Jirama izao. Trosan’ny mpamatsy akora madinika ny 120 miliara Ar, ary an’ireo mpamatsy angovo sy solika ny tena betsaka, 1 380 miliara Ar. « Mbola sarotra ny famahana ny trosa vaventy, fa efa misy soso-kevitra naroso any amin’ny fanjakana foibe », hoy ihany izy.
Njaka A.