Nanao soniam-piaraha-miasa tetsy Ambohidahy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Organisation des nations unies pour l’alimentation et de l’agriculture (FAO), omaly. Tetikasa haharitra roa taona, hamafisina ny fanaraha-mason’ny kalitaon’ny sakafo sy hanatsarana ny fiarovana ny sakafo eto Madagasikara. Tanjona ny hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo eo amin’ny vahoaka malagasy. “Zava-dehibe ny resaka sakafo sy ny fihinana sakafo ara-pahasalamana ho an’ny rehetra satria tafiditra ao anatin’ny fandaharanasam-pandrosoana ihany koa izany”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely Arivelo. «Tokony hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ny tsiro sy ny kalitoan’ny sakafo mba tsy hankarary ny olona mihinana azy », hoy kosa ny Dr Andrianjaka Razafinarivo Isaie, talen’ny mpanara-maso ny kalitaon’ny sakafo (ACSQDA). Miainga amin’ny fananana laboratoira ny ahafahana mijery ny hatsaran’ny sakafo. Tsy maintsy jerena amin’izany avokoa ny vokatra eto an-toerana sy avy any ivelany. Tsy maintsy hamafisina ihany koa ny fanentanana ny vahoaka sy ny mpiantsehatra ara-tsakafo, mba hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo. “Eo amin’ny 80 000 ny sakafo tokony hanaovana fitsirihana, tsy ampy izany satria mbola 25000 no vitan’ny mpiantsehatra amin’izao fotoana izao”, hoy ny talen’ny ACSQDA.
Mino