Lalambe migodana : hiova ny soritra eo Anjozorobe mankany Toamasina

Nahatsapa ny minisiteran’ny Asa vaventy, fa be loatra ny tanimbary sy lohasaha nototofana voakasiky ny arabe migodana hatreo Anjozorobe. Tsy mbola voafaritra kosa ny soritra miainga eo Anjozorobe hatrany Toamasina.

Mizara telo ny fizotry ny asa fanamboarana ny arabe migodana (autoroute) mampitohy an’Antana­narivo sy Toamasina, mitotaly 260 km. Ampahany voalohany, ny lalana mirefy 80 km, Antananarivo-Anjorozobe. Nanao ny fanadihadiana ara-tontolo iainana (EIE) ny birao mpanadihady malagasy Bico. Vita tamin’ny avrily hatramin’ny oktobra 2023 ny fakan-kevitra ny vahoaka ary nivoaka ny septambra 2023 ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Voasoritra anaty bokin’andraikitra miaraka amin’io fahazoan-dalana io fa mandalo ny tendrombohitr’Ambo­hi­manga sy Anjozorobe Angavo ny soritry ny lalana.
Nidina ifotony ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) nijery ny zava-misy sady ni­haona tamin’ny vahoaka. Taorian’izany no nilazan’ny minisitera tamin’ny orinasa Samcrete manao ny asa fa tokony hovaina ny soritry ny lalana manaraka. Tsy tokony handalo lohasaha sy tanimbary intsony satria be loatra ireo efa nototofana, raha tsy noho ny antony tena ara-teknika.
Araka ireo, tsy mbola voafaritra ny soritry ny ampahany faharoa sy fahatelo, manomboka eo Anjozorobe hatrany Toamasina.
Vaomiera iombonana

Taorian’ny fihaonan’ny MTP sy ny fikambanana ara-tontolo iainana WWF, efa misy ny saritany mamaritra ny soritry ny lalana mba tsy hikasihan’ny arabe migodana ny faritra arovana AP Zahamena. No­raisin’ny MTP sy ny orinasa Samcrete daholo ihany koa ny tolo-kevitra avy any amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany (ONE), ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ny Kolontsaina (MCC), ny Mponina (MPS), ny Toeka­rena, ny Fitsarana ary ny mpitantana ny faritra arovana roa (Ankeniheny sy Zahamena). Natsangana ny vaomiera iombonana ahitana ireo sehatra voakasika ireo. Mitohy mandra-pahatratra ny tanjona ny asa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: