Tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Antananarivo Ville, ao Betongolo, ny lehilahy iray mpisoloky vola an-tapitrasa, 10 jolay teo. Nilaza ho mahatafiditra olona miasa ao amin’ny orinasa, nangalan’io mpisoloky io vola avokoa ireo olona rehetra naniry hanao ilay asa sy nametraka fitokosina taminy. Tsy vitan’io, nanome toky tompona fiara maromaro koa izy fa afaka hampisaina ao anatin’ny orinasa ireo fiara ireo. Nahazoany vola tsy latsaky ny 1 tapitrisa Ar isanisany ireo lasibatra. Manao ny asa ratsiny hatrany amin’ny fifandraisany amin’ny mpiara-mivavaka aminy io olon-dratsy io. Mpiaraka miangona aminy ihany ny lasibatra sasany. Narirarin’io lehilahy io hatrany anefa ireo olona voasolokiny tao anatin’ny volana vitsy. Niroso tamin’ny fanantonana mpitandro filaminana ireo voakasiky ny fanambakana. Nitoroka teny anivon’ny zandary izy ireo. Natao ny fikarohana ilay mpisoloky ho mpiasan’ny orinasa. Nahatrarana fanamiana entiny manao ny asa ratsiny teny aminy. Niroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka atolotra ny fampanoavana izy aorian’izay. Tsiahivina, mirongatra ny fisolokiana vokatry ny hamaroan’ireo tsy an’asa tato ho ato. Samy manao izay fomba hahazoany vola avokoa ireo olon-dratsy ka ilaina fahamailoana.
Tsiferana R.