Mahay milalao !

 

Mbola mitazona ny sain’ny mpanara-baovao ny mahakasika ny raharaha eny amin’ny Antenimieram­pirenena, indrindra ny momba ny fifidianana izay ho birao maharitra. Raha ny tetiandro, anio no ho tafapetraka amin’ny fomba ofisialy izy ireo. Miandry ny havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mahakasika ny fitsipika anatiny dia raikitra ny zava-drehetra.
Amin’izao fotoana izao, mivadika ny rasa, raha ny fizotry ny toe-draharaha. Manao valala an-karona indray ny mpilalao avy amin’ny fitondrana. Samy miady ny ho lohalaharana avokoa, fara-faharatsiny mba irakiraka eny ampivoan’ny kianja. Misy ny be fiavy, mambabo ny mpanazatra. Ny sasany, manao ady sisika ambadika mba ho tafiditra anaty lisitra.
Etsy ankilan’izay anefa, misoko miadana toa ron-gisa koa ny mpilalao avy amin’ny mpifanandrina. Mampiseho ny tanjany sy ny fananany herijika ny mba ho mpamono baolina ihany koa. Misy ny miafinkafina, milalao politika ara-bakiteny. Misy ny mibaribary toa vay an-kandrina fa manana ny teny farany koa. Ny tanjona anefa dia iray ihany, hifehy ny kianja hilalaovana.
Samy mamolavola ny paikadiny ny antoko sy ny vondrona eny Tsimbazaza. Samy manao izay tratry ny heriny, hakana ny fahefana. Indray mandeha tsy miverina, maharitra dimy taona ny fotoana hiasana. Izay ratsy fiarovan-tena na mamotsitra baolina dia resy avy hatrany. Tsy misy ny fanalavam-potoana fa izay manary baolina dia mizaka ny vokany avy hatrany.
Handrasana, araka izany, ny kiririoka ho fanombohan’ny lalao. Ny mpanaraka sy ny mpanazatra efa mifampitazana sy mifampiandry amin’ny zava-hiseho. Miankina amin’izay rahateo ny momba ny governemanta vaovao izay ho fototry ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana « Rajoelina ». Taratry ny maha-demokratika, tsy azo hamaivanina izany saingy mila fahaizana milalao.

r.r

Partager sur: