Rugby vehivavy – «Mondial D3»: hifanandrina amin’ny Samoa ny Makis Ladies

Ao amin’ny sokajy “B” ny Makis Ladies amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja rugby lalaovina olona 15. Na izany aza, hidona amin’ireo ekipa ao amin’ny sokajy “A” izy ireo, araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny International Rugby Board (IRB).

Hotanterahina any Dubai, manomboka ny 27 septambra ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Taorian’ ny atsapaka natao ny talata lasa teo tany an-toerana, ao amin’ ny sokajy “B” ny Makis Ladies, miaraka amin’i Fiji sy i Pays-Bas.
Araka ny lalàna mifehy ny fifaninanana anefa, tsy midona amin’ireo iray sokajy aminy ny Makis Ladies fa mifanandrina amin’ireo ekipa ao amin’ny vondrona “B”, ahitana an’i Es­pagne sy i Chine ary i Samoa.
Raha ny fandaharam-potoana, hifanandrina voalohany amin’ny Makis Ladies ny zoma 27 septambra ry zareo Espaniola. Hifandona amin’i Chine indray ny zoma 4 oktobra ho an’ny andro faharoa ary i Samoa ny zoma 11 oktobra eo amin’ny andro fahatelo. Samy manana lalao telo avy izany ny ekipa rehetra ka tompondaka izay mahazo fandresena be indrindra. Tsiahivina fa laharana faharoa ny Makis Ladies nandritra ny fifanintsanana niadiana ny ho tompondakan’i Afrika (CAN 2024), natao teto Madagasikara ny volana mey lasa teo. Ny Spring­boks, tompondaka kosa miatrika ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny D2 ka ao amin’ny sokajy “B” ihany koa izy ireo, miaraka amin’i Ecosse sy i Pays des Galles. Mpifa­nandrina amin’i Afrika Atsimo voalohany i Japon avy eo i Australie ary farany i Italie. Ireo ekipa telo ireo izay ao amin’ny sokajy “A”. Tsy maintsy miady mafy ireo solontena afrikanina ireo tsy ho gisitra raha tsy izay miverina manao fifanintsanana isam-bondrona indray. Tsy tokony hiandry amin’ny fotoana farany, araka izany, ny Makis Ladies vao hio­mana fa dieny izao, indrindra ny fijerena ireo mpilalao afaka man­drafitra ny ekipam-pirenena.

Tompondaka

Partager sur: