SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, etsy Mahamasina ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ny fanatanjahantena ho an’ny fampivoarana sy ny fandriampahalemana. Hisy hazakazaka iarahan’ny rehetra mihodina ny kianja, arahin’ny fiarahana manao Zumba. Ankoatra izay, eo koa ireo fifaninanana isan-tokony, ao anatin’ny firahalahiana.

Hatao ny 15 ka hatramin’ny 18 jolay ho avy izao, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny “Forum africain du mini-basket”. Hetsika karakarain’ny Fiba Afrique miaraka amin’ny Fondation Fiba. Zavatra maro no hatao amin’izany, toy ny kaonferansy, iarahana amin’ ireo tomponandraiki-panjakana sy ireo manam-pahai­zana avy amin’ny Fiba sy ny hafa.

Tafita amin’ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny kaontinanta amerikana, taranja baolina kitra “Copa America”, ny Albiceleste Argentine. Fihao­nana izay tanterahina any Etazonia. Ny talata lasa teo, resiny teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa 2 no ho 0 i Canada. Baolina matin’i Alvarez (22 mn) sy i Messi (51 mn).

Hitohy ny alahady izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifaninanam-pirenena, “Fede­rak 2” Top 20. Anisan’ny hifandona ny Asa Ambohi­ma­na­rina sy ny US Ikopa. Ny SCB Besarety sy ny CRAI Amba­lavao Isotry ary ny 3FAI sy ny XV Beravina Itaosy. Eo koa ny an’ny Afa Ankazomanga sy ny FTA Andavamamba.

Partager sur: