Taona 2023 : 17 000 ireo mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida

Mila hamafisina amin’ny sokajin’olona rehetra mihitsy ny fanentanana hanao fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida manomboka izao. Misy ireo mitondra ny tsimokaretina mandehandeha eny, tsy mahafantatra ny toe-tenany akory, mamindra….

Fantatra nandritra ny atrikasa natao teny Anosia­varatra, omaly, fa miisa 17 000 ireo olona voaporofo tamin’ny alalan’ny fitiliana fa mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara. Heverina fa mbola maro ny olona mitondra izany kanefa tsy voatily ka hanairana ny sain’ny tsirairay.

Manomboka eto, hiantefa amin’ny sarambabem-bahoaka ny fanentanana mikasika ny ady amin’ny fiparitahan’ity aretina ity, hoy ny mpandrindra ny fandaharanasam-pirenena miady amin’ny IST/Sida, Dr Rakotoherimora Noro As­sun­ta. Teo aloha, nifantoka tamin’ireo vondron’olona tandindomin-doza ny hetsika, toy ny tanora, mpitsindrona zava-mahadomelina, mpampanofa tena….

Entanina ny rehetra hanao fitiliana hahafantarana ny toe-tena sy hahafahana mampiditra haingana ny fanafody ARV raha sanatria mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Ny fihinanana ny fanafody ihany no tsy mampirongatra ny fitombon’izany tsimokaretina izany anaty vatana sy hananana faharetana ara-pivelomana. Maimaimpoana hatrany ny fitiliana ny tsimokaretina eny amin’ireo tobim-pahasalamana. Voahaja ny tsiambaratelon’ny vokatry ny fitiliana. Maimaimpoana ihany koa ny fandraisana an-tanana raha sanatria ka mitondra ny tsimokaretina ilay olona, toy ny tohana ara-tsaina sy ny fanafody ARV.
Hatreto, mbola ny Fond mondiale no mamatsy vola ny ady amin’ny VIH/Sida. Distrika 27 no tena iasana amin ‘izany. Hiantefan’ny fanentanana avokoa ny sokajin’olona rehetra manomboka izao.

Tatiana A

Partager sur: