TSELATRA

Kilan’ny afo avokoa ny entam-barotra rehetra tao amin’ny trano may tao amin’ny fokontany Atsinanan’i Vinany, ny alin’ny talata 9 jolay teo. Nifanome tanana namono ny afo ny fokonolona manodidina. Olana ho azy ireo ny tsy fisian’ny mpamonjy voina ao an-toerana.
Nalan’ny olon-dratsy ka nentiny ny lohan’ny vehivavy iray varira tao amin’ny kaominina Beroy, distrikan’Ampanihy Andrefana, ny alin’ny alahady 7 hifoha alatsinainy 8 jolay teo. Roa lahy no niditra an-keriny tao amin’ny tranon’io lasibatra io ka nikapa azy tamin’ny antsy.
Nodarohan’ny mpanendaka ny renim-pianakaviana iray niantsena vao maraina teny Anosibe, omaly maraina. Teo am-pidinana ny taxi-be izy no narahin’ny jiolahy nitondra antsy. Nanohitra tsy nety hanome ny vola teny aminy izy ka niharan’ny herisetran’ireo jiolahy. Lasa ny vola saika hiantsenana.

Partager sur: