Tokony tsy hihoatra ny 3 500 Ar, ny kilaon’ny lafarinina araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra. Misy ny manararotra satria be loatra ny elanelan’ny vidin’ny vokarina eto an-toerana, 175 000 Ar ny iray gony 50 kilao, nefa amidy 200 000 Ar ny lafarinina avy any ivelany.
Tambazotra herinaratra mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo ny tetikasa PRIRTEM 1. Hanana tanjaka 220 kV ary mirefy 267 km. Nodinihina, omaly, ny drafitrasa ara-tontolo iainana, hitandroana ny tontolo mananaina (PAB). Mamatsy vola ny PRIRTEM 1, ny BEI sy ny BAD.
Manara-maso ny kalitaon’ny lalana amboarina ao an-tampo-tanànan’i Toamasina ny laboaratoran’ny asa vaventy LTPB. Anisan’izany ny asa fanamboarana ny ampahany faharoa amin’ny arabe Ratsimilaho sy ny lalana RN5 eny amin’ny Jovena Ambalamanasy, mifandray amin’ny RN 2 Saint Paul.
Anisan’ny anaovana ny hetsika « titre vert », mahakasika ny fizarana tany hojarian’ny tanora tany ny fokontany Mahalavolona, kaominina Fihaonana, distrika Ankazobe. Miisa 49 ny tanora misitraka izany, ka ny 10% tamin’izy ireo no nitrandraka ny taniny tamin’ity taona ity. Mampiasa ny ¾ na ny antsasaky ny taniny ny 70%. Hiandry amin’ny 2025 ny hafa.