Vokatry ny rivodoza : olona 90 000 voatery nifindra monina

Nisy ny fanadihadiana momba ny fifindra-monina nataon’ny mponina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza roa, Batsirai sy Emnati, nandritra ny fotoam-pahavaratra 2022-2023. Nisahana ny fanadihadiana teny ifotony ny Orga­nisation internationale pour les migrations (OIM), niaraka amin’ny fanohanan’ny BNGRC ary nisy andiany efatra ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany, hoy ny tomponandraikitry ny OIM Madagascar, Roger Charles Evina, omaly teny Andrainarivo. Nizara roa ny asa ka teny anivon’ny kaominina 30 ny volana jolay sy aogositra 2023, ary nanomboka ny volana septambra 2023 ka hatramin’ny volana mey 2024 ny ampahany faharoa ho an’ny fokontany 144. To­kantrano 1528 no voakasiky ny fifindra-monina ka naraha-maso taorian’ny rivodoza roa voalaza.
Nivoitra fa nahatrara 90 219 ny mponina nifindra monina tao anatin’ny tokantrano 17 416 nandritra ny fanadihadiana natao. Ny faritra Vatovavy no nahitana mpifindra monina betsaka indrindra satria 43% tamin’ireo niala ny faritra nonenany. Manaraka ny faritra Fitovinany 38% ary Atsimo Atsinanana 28%. Niompana amin’ny toeram-pandraisana vonjy maika, sakafo, rano madio, fikarakarana ny fahasalamana ny filana ary tsy maintsy nitondrana vahaolana ho an’ireo mpifindra monina ireo. Ilaina ny vokatry ny fanadihadiana hanatsarana ny fandraisana an-tanana ny mpifindra monina rehefa misy voina vaovao miseho. Namatsy vola ny fanadihadiana ny masoivoho japoney eto amintsika.

Vonjy

Partager sur: