Wawa sy Fandrama: ho tafaraka ny “salegy gôma” sy ny “salegy rômbotro”

Oviana no nisy ny fiarahana an-tsehatra teo amin’ireo kalazan’ny salegy ireto? Vaovao mahafaly ny mpankafy an’i Wawa sy i Fandrama, indrindra ny mponin’i Nosy Be aloha izany.

Samy nasandratry ny “Festival Donia”. Saka­malaho sy havozo, ka samy manana ny hanitra ho azy raha i Wawa sy i Fan­drama. Mpanakanto zanak’i Nosy Be, samy nanoritra ny lazany tamin’ny salegy ihany koa. Raha efa nisy, dia efa fotoana ela tamin’ny andron’ny “Festival Donia” taloha ny fiarahana an-tsehatra ho an’ireto mpanakanto ireto. Nanohy namarana hatrany an’ity hetsika ity i Fandrama nandritra ny taona maro nisesy, raha toa ka nanangana ny “Festival Sômaroho” kosa i Wawa.

Vaovao mahafaly ho an’ny mpankafy: hiray sehatra amina fotoana iray indray i Wawa sy i Fandrama. Fantatra fa hamarana ny “Festival Sômaroho” andiany faha-11, izay hatao ny 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao, ao amin’ny kian­jan’Ambodivoanio, Nosy Be. “Salegy gôma ndraiky salegy rômbotro tafiaro. Alatsinainy 12 aogositra amin’ny 10 ora maraina ianareo vao avelanay”, hoy ny fanambarana nataon’i Wawa tamin’ny pejiny “Facebook”, omaly. Efa mahazatra azy rehefa mamarana ny “Festival Sômaroho” iny tsy miala an-tsehatra iny raha tsy ny mpijery no reraky ny alina tontolo hatramin’ny maraina. Vao mainka hiitatra izany, satria izy sy i Fandrama no hamarana ny hetsika.

Na dia tsy mbola nampahafantarina manontolo aza ny fandaharam-potoanan’ny “Sômaroho”, efa fantatra fa ilay mpanakanto avy any Congo, Jungeli, no ho vahinin’i Wawa any Nosy Be amin’ity. Holazaina miandalana eo ireo mpanakanto malagasy hanafana ny efatra alina hisesy amin’io.
Marihina fa avy namarana ny fitetezam-paritra tany Fran­tsa ny tarika Wawa ny faran’ny herinandro teo. Nahavita seho maromaro, izay hipoka mpijery avokoa izy ireo nandritra izany. Avy hatrany dia hitodi-doha any Mayotte indray, ka hanatontosa seho am-polony manomboka ny zoma 12 jolay izao ka hatramin’ny 3 aogositra izy.

Zo ny Aina

Partager sur: