Antenimierampirenena: tsy maintsy depiote no ho lehiben’ny mpanohitra

“Ny filoha lefitra ao amin’ ny birao maharitra dia iray isaky ny faritany ary iray ho an’ny mpanohitra parlemantera. Tsy olon’ny mpanohitra any ivelany no hisora-tena hanao mpanohitra eny anivon’ny Antenimi­eram­pirenena, fa tsy maintsy parlemantera”. Io ny fa­nazavan ’ny mpitondra tenin’ny vaomiera manokana fanitsiana fitsipika anatiny eny anivon’ny Antenimi­erampire­nena, ny depiote Sahondra­ri­malala Marie Michelle, teny Tsimbazaza, afakomaly alina, mialoha ny fandaniana izany. Andininy 19 no nokitihina ka ny 18 amin’izany no nasiam-panitsiana. Eo, ohatra, ny amin’ny fanonganana ny depiote tsy manaja ny fitsipiky ny antokony. Manana fahefana mangataka izany any amin’ny HCC ny filohan’ny Antenimierampire­nena na ny filohan’ny vondrona parlemantera misy azy. Misy ny fampiantsoana sy fampahafantarana an-tsoratra an’ilay depiote mialoha ny fanatanterahana izany.
Tsy azo atao kosa ny manome fahefana olona hifidy amin’ny fanaovana fampiatoana ny governemanta, na fitsipaham-pitokisana, sns, indrindra ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana. Nasiam-panitsiana koa ny And. 33: tsy maintsy miditra amin’ny vondrona parlemantera amin’ny vondrona politika nahavoafidy azy ny de­piote. Mahazo miditra amin’ ny safidiny ireo tsy ao anatin’ny antoko. Nahena ho 30 ny isan’ny vaomiera izay 32 teo aloha. 15 ny isan’ny de­piote afa-manangana vondrona parlemantera. Any amin’ny distrika nahavoafidy azy ihany anaovany depiote tatitra.
Andrasana ny fankatoavan’ny HCC ny fitsipika anatiny vao hirosoana ny fifidianana izay handrafitra ny birao maharitra manomboka amin’ny filoha.

R. Nd.

Partager sur: