Antenimierampirenena : voafidy ho filoha i Tokely Justin

Niroso tamin’ny fifidianana ireo handrafitra ny eo anivon’ny birao maharitra ireo depiote, omaly. Nisantarana izany ny fifidianana ny ho filohan’ny Antenimierampirenena sy ireo filoha lefitra isam-paritany.

Nofidin’ireo solombavambahoaka miisa 160 niatrika ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina ho filohan’ny Antenimieram­pi­renena i Tokely Justin, ta­min’ny fifidianana natao teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Miisa telo kosa ireo depiote tsy tonga ka anisan’izany ny iray mbola tazomina am-ponja. Nambaran’ny filoha vaovao tamin’ny lahateniny ny fisaorana ireo solombavambahoaka amin’izao nifidianan’izy ireo azy izao. Nanteriny koa fa hametraka ho anisan’ny fitaovana lehibe hanatanterahina ny asa sy ny andraikitra lehibe hosahanin’izy ireo ny fahalalahana. “Tafiditra ao anatin’izany koa ny fahafahana miteny ary ny fahafahana maneho hevitra”, hoy izy. Nanome toky ny tenany fa tsy hisy ho tapenam-bava sy avakavahana izany eo anivon’ity Andrim­pan­jakana mpanao lalàna ity.
Etsy andaniny, voafidy ho filoha lefitra ho an’ny faritanin’ Antananarivo, ny depiote Andriamananoro Augustin. Ho an’ny faritanin’i Toliary, ny depiote Tinoka Roberto. Voa­fidy ho an’ny faritan’i Fiana­ran­tsoa, ny depiote Fomen­dra­za Haingo Louisette ary mbola vehivavy koa ny any Toa­masina, ny depiote Naha­rimamy Irma sy ny ho an’ny any Mahajanga, i Soafilira Princia. Ho an’ny any Antsira­nana, ny depiote Mamangy Norbert. Samy Irmar avokoa ireo.
Ankoatra izany, anisan’ireo anarana mandeha amin’ny mety ho praiminisitra kosa i Ntsay Christian sy ny depiote isany, Resampa Haja sy Sahondrarimalala Michèlle.

Synèse R.

50 taona, manambady, manan-janaka roa ny filohan’ny Antenimiera, i Tokely Justin. Administrateur Civil en Chef de Classe exceptionnelle 2è Echelon. Efa lehiben’ny distrikan’ Andapa sy ny tany Ambilobe. Talen’ny “Institut national de la décentralisation et du développement local – INDDL” ny taona 2014- 2018. Nitohy ny taona 2019 ny nisahanany izany andraikitra izany. Efa governora ny faritra SAVA ny taona ny 2022 ary indroa voatendry ho minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny taona 2022 hatramin’ny taona 2024.

Partager sur: