Faha-20 taon’ny TGC: ho tsangambato lehibe ny «Mada Gospel Festival»

Hetsika lehibe, tsy mbola nisy teto. Manomana ny andiany voalohany amin’ny “Mada Gospel Festival” ny Tana Gospel Choir, ho tohin’ny fanamarihan’izy ireo ny faha-20 taony.

4 andro ho an’ny gospel sy ny manodidina azy. Ho­tontosaina ny 25 hatramin’ny 28 jolay izao ny “Mada Gospel Festival”. “Hetsika iray hitarihana ny finoana entina mampandroso fiarahamonina, firenena sy ny tsirairay izy ity. Tsy resaka fivavahana fotsiny, araka izany”, hoy ny namba­ran’i Fidy Rabearisoa, lehiben’ny TGC sady mpikarakara ity hetsika goavana voalohany ho an’ny gospel ity. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny TGC ny hetsika. “Io ny tsangambato entina ho an’i Madagasikara. Ankoatra ny tena gospel anefa, misy resaka fihariana, sosialy ary kolontsaina ao”, hoy hatrany ny fanazavana.
Araka izany, hisy karazana hetsika maro mandritra ireo efatr’andro ireo. Ny atrikasa izay hizarana ny traikefan’ireo zoky amin’ny mozika, ny fitantanana, ny fihariana manodidina ny gospel, sns. Eo koa ny filatroana, satria maro ireo tanora kristianina mpamoron-damaody, izay hampirisihina hitondra ny talentany. Ny fampirantiana sary, izay nananamarika ny tantaran’ny gospel maneran-tany. Ny kilalao isan-karazany sy ny toeram-pivarotana tantanan’ireo kristianina, sns.
“Afaka hisehoan’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa ny gospel. Izahay izao rehefa mivoaka dia mitondra ilay hoe Madagasikara any amin’ny alehanay any. Natao hanokafana ny fomba fijery koa ity hetsika ity. Hoentina manasoa ny firenena, ny fiarahamonina manontolo mba hanana fijery misokatra ny Malagasy kristianina”, hoy hatrany ny fanazavan’i Fidy Rabearisoa.
Mazava loatra fa hanana anjara toerana betsaka mandritra ny “Mada Gospel Festival” ny fampisehoana. Hizara amina toerana telo izany: Havoria Anosy, Ivokolo Analakely ary ao amin’ny Kianjan’ny Kanto, izay toerana hanaovana ny seho ankalamanjana, ny sabotsy 27 jolay. Tarika mpanao gospel maro no handray anjara amin’izany, izay misy avy any amin’ny faritra na dia ny eto Antananarivo aza no maro amin’ity andiany voalohany ity.

Zo ny Aina

Partager sur: