FANTINA sy FINTINA

Mbola tazonina eny am-ponja, eny Antanimora, ny depioten’i Vangaindrano, i Mahavitara Sylvestre. Miandry ny didim-pitsarana azy izy na nangataka fahafahana vonjimaika aza. Nilaza ho tsy mahefa mitsara ny rantsam-pitsarana ambony eo anivon’ny Pac noho izy hotsaraina amin’ny fitsarana ambony.
Nosamborina tao Masianaka Vangaindrano Rasambozafy Cyrille sy ny mpiambina azy iray, omaly. Anton’izany ny nitarihany ho amin’ny fanakorontanana any an-toerana. Nentina avy hatrany any Mananjary izy ireo hiatrika ny famotorana azy. Tsiahivina fa filohan’ny fivondronan’ny foko maromaro, BAAM ny tenany. Fita­kiana ny famoahana an’i Mahavitara Sylvestre no nitarihany vahoaka izay nahatonga izao fisamborana azy izao.
Porofoin’ny MMM amin’ny maha antoko azy ny famolavolana ny taninketsa eo amin’ny sehatra rehetra. Araka izany, nandefa solontena amin’ny “Youth leadership seminar”, iarahana amin’ny FES izy ireo. “Mila omanina ny fiatrehana ny fiainam-pirenena, indrindra fa ny tontolo politika”, hoy ny MMM. Miatrika izany ny ben’ny Tanànan’Amba­to­mena sy ny mpikambana ao amin’ny tanora TMMM.
Nanao lahateny an-kolaka ny depiote “Del kely” ny amin’ny tokony hiverenan-dRavalomanana ho ben’ny Tanànan’Antananarivo teny Tanjombato, ny herinandro teo. “Vonona izahay hanao propagandy ho anao”, hoy izy. Notsiahiviny fa tonga tany Ambato ny filoha nasionalin’ny Tim raha nirotsaka depiote i “Del kely” ka anjarany indray ny manohana azy eto an-dRenivohitra.

Partager sur: