Nampahafantarina, afakomaly, tetsy Ambatonakanga, ny fandaharanasa vaovao “Holi’Dev”. Tetikasa hiarahan’ny Telma Madagascar sy ny Maison du numérique ary ny Coder Dojo miasa. Fandaharanasa hampiofanana maimaimpoana ireo ankizy malagasy mahakasika ny tontolon’ny niomerika izy io. Atao etsy amin’ny Maison du numerique Ambatonakanga, mandritra izao fotoam-pialantsasatra izao, manomboka ny volana jolay hatramin’ny aogositra izany. Hisitraka izany voalohany ireo ankizy malagasy 100 eny anivon’ny EPP 67 ha Atsimo. Hiantoka ny fanofanana ny avy amin’ny Coder Dojo, matihanina
amin’ny tontolon’ny informatika. 25 isaky ny “vague” ny ankizy horaisina, izay ahitana “séances” indroa ny “vague” iray. “Tanjona ny hahafahana mampiray ny fialamboly sy ny fianarana zava-baovao ho an’ireo ankizy ireo”, hoy Rabefitia Riantsoa, tomponandraikitra avy amin’ny Telma. Hiantoka ny fitaterana ireo ankizy manao ny fiofanana etsy amin’ny Maison du numérique ny eo anivon’ny Telma Madagascar. Manodidina ny 500 ireo ankizy ezahina hisitraka ny fiofanana amin’ity taona ity. 2 000 eo kosa no ezahina amin’ny taona 2025. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny orinasa Telma Madagascar ny hetsika.
Mino