Hazo sarobidy: tsy mirindra ny fitantanana ny hazo sy ny fanaka

Miompana amin’ny fanadihadiana ara-tsiantifika ny hazo sarobidy ny tetikasa “G3D”. Manaitra ny tomponandraikitra ny mpanatanteraka azy fa tokony hisy ny lalàna sy fepetra mandrindra ny fitantanana azy ireo.

Tsy hita afa-tsy eto Ma­da­gasikara ny 30% ny voamboana sy ny andra­mena (Dalbergia) sy ny 36% ny volombodipona (Diospyros). Tandindomin-doza ny 82% amin’ireo hazo ireo satria maro ny fitrandrahana tsy ara-dalàna noho ny maha mbola voarara ny fikapana azy. Manamarina izany ny profesora Radanielina Tendro, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite Antananarivo. Nambarany fa «mitohy ny fitrandrahana anaty ala matoa misy ny mpivarotra fanaka vita amin’ny voamboana, toy ny eny amin’ ny faritr’Analamahitsy. Tsy mirindra ny asa fanaraha-maso sy ny fitantanana eto amintsika. Ny minisiteran’ny Tontolo iainana no miandraikitra ny hazo, nefa ny minisiteran’ny Varotra no miahy ireny fivarotana fanaka ireny ».
Misy ny tetikasa “G3D”, mahakasika ny hazo sarobidy, notohanan’ny Vondrona eoropeanina, ao anatin’ny fandaharanasa “Rindra”, Fed faha-11. Nanaovana fikarohana, nanisana ny isany sy ny toerana ahitana azy eto Madagasikara. Avy amin’io tetikasa io no nananganana laboratoara miisa telo, ka ny roa ao amin’ny fakiolten’ny Si­ansa ary eny amin’ny Agro­nomia ny iray. Ahafahana manao fanadihadiana ara-tsiantifika ny zavamaniry eto amintsika ireo fotodrafitrasa ireo, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Olana anefa ny tsy fisian’ny lalàna sy fepetra ary fankatoavana avy amin’ny fanjakana.

Fizaram-baovao
Nisy, noho izany, ny fizaram-baovao mahakasika ny tetikasa “G3D” teny amin’ny Akademia Malagasy, ny 10 jolay teo. Tetikasa niarahan’ny sampana Biolojia sy Eko­lojia ao amin’ny fakiolten’ny Siansa, ny sampana Ala sy ny fambolena ao amin’ny Sekoly ambony momba ny siansan’ny Agronomia, ny Missouri Botanical Garden (MBG) nanatanteraka, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd).

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: