INDRAY MIJERY

Natomboka tamin’ity herinandro ity ny fivo­riana hananganana ny politika nasionaly mahomby mamaritra sy mampandray anjara ireo mpiantsehatra amin’ny fampiatiana sy fampizakan-tenan’ny olona manana fahasembanana. Mila mahomby sy mitondra fanovana anaty fampanjakana ny zon’olombelona izany.
Mpianatra avy amin’ny oniversite sy Lycée maro izay mivondrona ao anatin’ny tambajotran’ny tanora miaro ny fahitsiana no niaraka tetsy Mahamasina, tamin’ity herinandro ity. Hetsika nokarakarain’ny Bianco sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nentanina ho tanora tompon’andraikitra sy ho sahy mijoro miady amin’ny kolikoly izy ireo.
64,39% ny taham-pahafahana fanadinana BEPC teto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Nisy fikorontanana ny fizarana ny valim-panadinana tamin’ny finday ka nampisavoritaka ny ray aman-dreny. Efa niala tsiny noho izany ny tomponandraikitry ny orinasan-tserasera voakasika. 74,94% kosa ny taha ho an’ny Cisco Avaradrano. Niakatra ny vokatra tamin’ity taona ity.

Partager sur: