“Madagascourt Film Festival”: nangingina ny andiany faha-13

Tanterahina anio, eny
amin’ny Intsitut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny lanonana famaranana ny “Madagascourt Film Festival”, andiany faha-19 (MFF 2024). Anisan’ny hampiavaka azy ity amin’ny isan-taona ny fisian’ny fampisehoana iarahana amin’i Olombelo Ricky sy Edgard Ravahatra ary Sylvin Marc. Andiany tetezamita no nilazan’ny mpikarakara ity andiany faha-19 ity noho izy mitondra ho any amin’ny fiovana amin’ny andiany faha-20. Na eo aza anefa izany, nisy hatrany ny nampiavaka ity andiany ity, anisan’izany iny fandraisan’anjaran’i Sylvin Marc. Ny fisian’ny zava-baovao isaky ny andiany izay anisan’ny nahafantarana sy nampiavaka ny MFF, ary anisan’ny nampaharitra azy hatra­min’izao, raha ny nambaran’i Laza, tomponandraikitra mpikarakara ny MFF.
Nifarana sahady ny MFF, andiany faha-19. Ankoatra ny fampisehoana rahampitso, hisy ihany koa ny fampahafantarana ny mpandresin’ny fifaninanana maro samihafa ao anatin’ny MFF, andiany faha-19. Somary nangingina tsy sahala amin’ny andiany maro teo aloha. Nisy ihany koa ireo hetsika fanao isaky ny MFF no tsy nasiana tamin’ity taona ity. Anisan’izany ny Kino, izay fotoana ahafahan’ireo te hanatontosa horonantsary manatontosa izany. Tsy nisy ihany koa ny fandefasana horonantsary ankalamanjana.
Haverina hatao ny volana avrily, ny andiany faha-20, amin’ny taona 2025. Natao izany mba hifanojoan’ny fandaharam-potoanan’ny MFF amin’ny tetiandron’ny sinema, maneran-tany, araka ny nambaran’i Laza, talen’ny Rencon­tres du Film Court Madaga­sikara, mpikarakara ny MFF.

Lin

Partager sur: