“Masoivoho indray andro” : 18 ireo tovovavy voasafidy

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanofanana momba ny fahaiza-mitarika ho an’ireo tovovavy 18 voasafidy ho “Masoivoho mandritra ny iray andro” nokarakarain’ny Unicef sy ny masoivoho vahiny maromaro miasa eto amintsika. Omaly, tovovavy enina amin’ireo 18 no niaraka amin’ ny masoivoho vahiny iray avy nijery sy niaina ny tontolo andron’ny masoivoho. Nifa­rana tamin’ny lanonana nokarakarain’ny masoivoho britanika miaraka amin’ny vehivavy mpitarika amin’ny sehatra maro ny hetsika. Nanatrika ny hetsika fizarana ny valin’ny tatitry ny UNFPA momba ny toe-piainan’ny mponina maneran-tany teny Anosy koa izy ireo, omaly.
Andiany faharoa ny hetsika “Masoivoho mandritra ny tontolo andro”. Tanjona ny handrisika ny zatovovavy ho lasa mpitarika, ho mpandray anjara amin’ny fiovana hahatonga ny vehivavy hahaleo tena. Anton’ny fifaninanana koa no hampahafantatra ny tena andraikitry ny masoivoho sy ny ekipany amin’ny firenena iasany.
Nandray anjara tamin’ny fikarakarana ireo vosafidy ny masoivoho britanika, Japon, Alemana, Etazonia, Unicef, Vondrona eoropeanina. Elysa Sederanirina Soanomeny, Amboaraiterantsoa Tan Stacy Cassidie, Rakotorisoa Naval, Rakotobe Irintsoa Tsiky, Andrianarivony Christina Dewa, Ravololoniananalala Sahnie Luicia Joelinah ireo tafita tamin’ny fifaninanana.

Vonjy

Partager sur: