Mbola tompondaka Rajoelina Andry : “Laharam-pahamehana ho an’ny fanja­kana ny fandrindram-piterahana”

“Misy ny ezaka vita eo amin’ny fananahana ara-pahasalamana maneran-tany sy teto amin’ny ranomasina Indianina”, hoy ny tatitry ny UNFPA. Ilaina ny mampitombo ny vola hikarakarana ny fahasalaman’ny tanora ka iantsoana ny mpiray ombon’antoka.

“Eto Madagasikara, 30% amin’ny tovovavy 15-19 taona efa nitondra vohoka sy niteraka avokoa ary ny vehivavy iray miteraka zaza dimy amin’ny ankapobeny fa miakatra ho sivy izany ho an’ny faritra Atsimo”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, teny Anosy. Mitombo haingana sy maro loatra ny Malagasy ka nametraka paikady ny fanjakana hanapariahana ny fomba fandrindram-piterahana sahaza ny vehivavy rehetra, araka ny fanazavany. Tanjona ny hampiakatra ho 5 tapitrisa ny isan’ny olona mampiasa fanafody fandrindram-piterahana hatramin’ny taona 2028 izay ho maimaimpoana hatrany.
Efa misy ny ezaka miaraka amin’ny Clinique mobile mitety vohitra maro any amin’ ny ta­pany atsimon’ny Nosy, manatona ny vehivavy maniry ny hisoroka ny vohoka tsy iriana na koa handrindra fi­terahana. Nampitomboina avo 20 heny koa ny sora-bola ho an’ny fividianana fanafody fandrindram-piterahana eto Madaga­sikara tao anatin’ny dimy taona farany, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fahasa­lamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely. 43% ny tahan’ny fampiasana fanafody fandrindram-piterahana eto amin­tsika vokatr’ireo ezaka ma­robe vita, raha napetraka ho tanjona ny hanatrarana ho 60% hatramin’ny taona 2030.
Nahazo fankasitrahana
Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra fa ho laharam-pahamehana ny fahafahan’ny vehivavy rehetra misitraka fa­na­nahana ara-pahasalamana sy fanabeazana aizana ka handray anjara ny mpitondra fivavahana, ireo raiamandreny ara-drazana, ny fikambanana samihafa.
Nohavaozina indray, oma­ly, ny fankasitrahan’ny mpiray ombon’antoka ny filohan’ny Repoblika amin’ny maha mpitarika mahomby azy amin’ny fandrindram-piterahana eto Madagasikara. Notoloran’ny talem-paritry ny UNFPA aty Afrika, Lydia Zigomo, ho an’ny filoha ny fankasitrahana ny fahaiza-mitarika hananany.

Vonjy

Partager sur: