Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana… : “Hampidirina anaty tetikasa ny fiovan’ny toetr’andro”

Notanterahina tetsy Ana­lakely, omaly, ny atrikasa sy fampiofanana ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany (MFFT). Niompana amin’ny hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro an-tanàn-dehibe ny fampiofanana. “Hampidi­rina ao anaty tetikasa hatreny anivon’ny kaominina amin’ny faritra manerana ny Nosy izany, indrindra ny an-tanàn-dehibe”, hoy ny talen’ny teti-pivoarana eo anivon’ny MFFT, Rateloson Tahiana Harisoa. Nanteriny fa efa iainana andavanandro ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Mila fiomanana anefa ny fiatrehana izany ka hampidirina anaty tetikasa sy fandaharanasa momba ny drafi-panajariana ny tanàn-dehibe izany, araka ny nambarany. “Vina­vinaina mialoha ireo tetikasa ireo sy ny mety ho fampitaovana na koa ny fotodrafitrasa, hiatrehana ny voka-dratsin’ny toetr’andro sy hiarovana ny tanàn-dehibe na koa ny kaominina”, hoy ihany izy. No­tsin­­driny fa manampy amin’ny fametrahana ny drafitra ny MFFT ary manangana ny fo­todrafitrasa sy ny tanàn-dehibe… Nentaniny ny mpiasan’ny minisitera mba hamolavola tetikasa any anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra any. Hametraka ny drafi-panajariana amin’ny ta­nàn-dehibe sady tafiditra amin’ny fampiharana ny fiofanana nataon’izy ireo rahateo izany.
Tsiahivina fa notolorana mari-pankasitrahana ireo mpiasa nahavita izao fiofanana izao.

Synèse R.

Partager sur: