Maty rotiky ny balan’ny zandary, omaly, rehefa nokarohina nandritra ny enin-taona ny dahalo raindahiny antsoina hoe Rajaonarivo Edmond na i Jarivo, monina ao Befanihy Andrefana, fokontany Ampondravelona, kaominina ambanivohitr’i Maroadabo Andilamena. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Andilamena, ny kapiteny Tobiasy, anisan’ireo tompon’antoka namono sy nitetika ka nahafaty ny adjidà Noara ity dahalo ity ny taona 2018 nandritra ny fanafihana tao Andrangeza Mandritsara. Efa maty voatifitry ny zandary i Dolin fantatra amin’ny anarana hoe Le Seize tanan-kavanany. Nandritra ny famotorana, niantso ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra ny fianakaviany fa hanome vola 20 tapitrisa Ar mba hamotsorana azy. Nanamafy rahateo i Jarivo fa ny lehibeny sy mpiaro azy amin’ny asa ratsiny no hiantoka ny fanefana io volabe io. Patron’omby antsoina hoe Fageda mpividy vatosoa io nolazainy io, ka ao Antsomangana Bemaitso Andilamena no voalaza fa misy azy. Tanjona napetraky ny zandary ny hamongorana ny mpanao ratsy indrindra fa ireo dahalo ambony latabatra ka mody nekena ny handraisana io vola 20 tapitrisa Ar io sady mba hamantarana an’i Fageda. Tetika matipaika nataon’ny fianakaviana anefa izany mba hanavotana an’i Jarivo. Tratran’ny vela-pandriky ny dahalo anefa ireo zandary tao Antsomangana, omaly, ka raikitra ny fifampitifirana naharitra adiny iray. Maty voatifitra tao anatin’izany i Jarivo. Nitsoaka avy hatrany ireo dahalo rehefa tsy naharesy tosika ireo dahalo.
J.C