Mitohy hatrany ny hetsiky ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba. Amin’ity anio ity, misy hatrany ny atrikasa maro samihafa ho fanatrarana ny tanjona. Tanjona izay hampivelatra ny haikanto maro samihafa. Amin’ny ankapobeny, efa miditra amin’ny andiany faharoa ny atrikasa. Tsikaritra ny hamaroan’ireo tanora sy ankizy liana amin’izany, indrindra amin’ireo atrikasa fanaovana sary.
Anisan’ny atrikasa tanterahina anio, ny “Lasitra sy Mi-kraft”, izay hampianarana mahakasika ny fanaovana sary lasitra sy sary mivoitra vita amin’ny taratasy. Hisy ihany koa, ankoatra izay, ny atrikasa fanaovana sary sokitra sy zavakanto vita amin’ny tanimanga. Araka ny maha Tetikasa Kanto Manabe azy, tsy hijanona amin’ny fampianarana zavakanto fotsiny ny hetsika fa hanabe ny olona ho olom-banona ihany koa. Izany indrindra no nanaovana ny tetikasa “Mi-kraft” ho fanodinana ny taratasy ho zavakanto, hikajiana ny tontolo iainana.
Lin