TARATRY ny KANTO

“Stand-up comedy”, miaraka amin’i Raytra Belaw’yck. Raikitra fa hatao isaky ny sabotsy hariva, amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora, eny amin’ny 306 Manakambahiny ity endri-tseho hatsikana iray ity. Mpanao hatsikana anisan’ireo miaka-daza amin’izao fotoana izy, noho ny fahaizana mihazona ireo mpijery mandritra ny fotoana maharitra.

Samoëla Ranoiray, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Tonga an-tanindrazana rehefa avy nihodina tany ivelany nandritra ny fotoana elaela ry Samoëla sy ny tariny. Avy hatrany dia mifanao fotoana amin’ireo mpankafy azy, ka hatomboka etsy amin’ny Piment Café izany, anio alina, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina.

La Teinturerie Ampasanimalo. I Fanja Noukah indray no homena sehatra anio alina ao amin’ity toerana ity. Hizara ireo mozika hankafiziny, mampisongadina ilay feony miavaka ity mpanakanto ity. Arahina mpitendry matihanina sy efa mpiray sehatra aminy i Fanja Noukah mandritra izany.

Hahazo tombony indray ireo mpankafy sy maniry hisehatra eo amin’ny tontolon’ny Slam ao anatin’ny hetsika karakarain’ny Madagaslam Section Tanà, eny amin’ny CGM Analakely, rahampitso tontolo andro. Ao anatin’izany no ahitana atrikasa Slam sy tafatafa arahana adi-hevitra iarahana amin’ireo efa kalaza eo amin’izany sehatra izany. Hisy ihany koa ny seho sehatra hanehoan’ireo nandray anjara tamin’ny atrikasa ny azony.

Partager sur: