Vita soa aman-tsara ny fifidianana izay ho mpikambana anatin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Araka ny efa nampoizina, izay tanaty ny lisitra nivoaka teny amin’ny Arena, Ivandry, ihany no nisafidianana sy nolaniana. Maty paika sy tsara rindra ny fametrapetrahan’ny filohan’ny Repoblika ny fototry ny sezany. Mandeha araka ny zotra iheverany azy ny lamina napetrany miaraka amin’ny ekipany. Azy ny mpanao lalàna, azy ny mpanatanteraka, afaka miridana amin’izay ny lamasinina. Finiavana ho an’ny asa sisa andrasana, miara-dalana amin’ny fampitaovana. Toraka izany ny ekipa any anaty sampandraharaha isan’ambaratongany. Mila mijery akaiky ity teboka farany ity ny tompon’ny lapa. Tsy tokony hihinana am-bolony izay tsara resaka sy mamonololo aty ambony latabatra. Tahaka ireny kandidà depiote nomena fahazoan-dalana tsy lany na tsy nahazo laharana voalohany akory. Efa aty amin’ny laharana faharoa ny ankamaroany, efa naloan’ny vahoaka.
Lesona goavana ho an’ny mpitondra ny voka-pifidianana farany teo. Mila miezaka ny tompom-pahefana mba hijery akaiky ny tena mpiara-miasa tsy hamadika sy resy lahatra aminy.
Tsy ho tafiditry ny volo mpanoha-randrana indray na ny fandoto iray tandroka. Tsy manan-jo ho diso kajy intsony amin’ny fara-tampony na ny any ifotony.
Mila manivana sy manadio ny mpiara-miasa aminy ny Filoha manomboka izao. Tsy ho sodokan’ny mpampiresaka sy mpampiesona ary ireo mpandokadoka mila ranondranony.
Ady goavana no miandry amin’ity taom-piasana faharoa ity. Mila vokatra ho porofon’ny bainga voavadika ny Malagasy tsivakivolo.
r.r