Baolina kitra – «Euro 2024»: hikatsaka ny amboara voalohany i Angleterre

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “Euro 2024”. Fihaonana hatao rahampitso alahady, ao amin’ny kianja Olympia stadion ao Berlin. Hiady izany ny La Furia Roja Espagne sy ny Three Lions Angleterre.

Fanindroany amin’izao ny anglisy no hiatrika ny famaranana amin’ny “Euro” taorian’ ny taona 2020 izay naharesy azy ireo, nanoloana an’i Italie. Mikendry ny amboara voalohany ho azy, araka izany, ny anglisy rahampitso. Ho an’ny espaniola kosa famaranana fahadimy ity hatrehiny ity ka intelo efa nandrombaka ny amboara dia ny tamin’ny taona 1964, 2008, 2012.

Raha tsiahivina, inenina efa nihaona ny roa tonta ka fandresena intelo ho an’i Es­pagne raha 2 ny an’i Angle­terre ary ady sahala ny iray.
Ity ny fihaonana hikatro­han’ny roa tonta eo amin’ny “Euro”. Araka izany, hanala vela izany ny anglisy. Tsia­hivina fa hitantana ny lalaon’ ny roa tonta, ilay frantsay, i François Letexier.

Marihina fa hotoloran’ny firaisamben’ny baolina kitra ao Eoropa (UEFA) lelavola mi­tentina 8 tapitrisa Euros ny ekipa tompondaka amin’ity, raha 5 tapitrisa kosa ny an’ny faharoa. Samy nahazo 4 tapitrisa Euros avy kosa ireo tonga teo amin’ny manasa-dalana. Mitentina 331 tapitrisa Euros ny totalin’ny vola hozaraina amin’ireo ekipa 24 arakaraka ny vokatra azony.

Tompondaka

Partager sur: