Fampianarana ambony: Nahazo tablette 100 ny Mesupres

Nahazo tablette miisa 100 avy amin’ny minisiteran’ny Fam­piroboroboana sy ny fa­novana ny haitao ara-kajy mi­rindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny fanatobiana niomerika ary tanjona ny fampiroboroboana ireo oniversite manakaiky vahoaka. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny fampitaovana.
Hanatanterahina ny fanadinam-panjakana bakalorea ireo tablette ireo, indrindra amin’ny fitandroana ny fiarovana ny vokatra sy ny naoty. Hisitraka izany ireo oniversite manakaiky vahoaka.
Mihazakazaka ny tontolo niomerika ary tsy latsa-danja amin’ny fanarahana izany ny oniversite. Efa ampiasana ny teknolojia moderina ny sehatry ny fampianarana ambony izay tsy azo ialana rahateo manoloana ny fanatontoloana.
Betsaka ny karazam-pikarohana tsy maintsy ilaina ny sehatry ny niomerika fa indrindra hanarahana ihany koa ny fivoaran’izany amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Tatiana A

Partager sur: