Fandrindram-piterahana 2024-2028: « Fomba hampihenana ny fahantrana ny fifehezana ny fitomboan’ny mponina »

43% ny tahan’ny fampiasana fandrindram-piterahana tsy tapaka eto amintsika, araka ny fanadihadiana ny taona 2021. Nisy ny ezaka fa tsy mbola tratra ny tanjona satria ny 30% amin’ny zatovovavy 15-19 taona no efa miteraka avokoa ka lasa vesatra ho an’ny fianakaviana sy ny firenena fotsiny.

Latsaky ny 15 taona ny 50% amin’ny Malagasy ka mbola miakindoha fa tsy mitondra fampandrosoana ary mitarika fahantrana ho an’ny firenena, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, teny Anosy, nandritra ny fanokafana ny fihaonambe nasionaly natokana ho an’ny fandrindram-piterahana. Manan-danja amin’ny fandaharanasan’ny fitondrana ny fifehezana ny fitombon’ny mponina, satria izay no fomba mahomby indrindra hampihenana ny fahantrana, araka ny nambarany ihany. Nohamafisiny fa zaza voakarakara sy afaka misitraka fanabeazana sy fahasalamana no tokony hateraky ny mpivady ka ampy ny roa isan-tokantrano.
Maimaimpoana ny fanafody fandrindram-piterahana eny amin’ny tobim-pahasalamana tantanin’ny fanjakana ary haparitaka ny fanentanana ny tanora hisoroka ny vohoka aloha loatra. “Napetraka koa ny CSB sakaizan’ny tanora hanome torohevitra sy tolotra amin’ny fandrindram-piterahana. 520 ireo efa voapetraka, tanjona ny hahatrarana 600 hatramin’ny faran’ny taona, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka”, hoy ny profesora Randriamanantany Zely. Efa voaofana ny mpiasan’ny fahasalamana mandray ireo tanora lina amin’ny fanabeazana aizana. Toy izay koa ny Tranoben’ny tanora miparitaka amin’ny distrika ka 45 no efa mihodina amin’izao fotoana izao.

Nitombo 25 avo heny…

Mpitarika ny hetsika hifehezana ny fitomboan’ny mponina ny filohan’ny Repoblika satria nitombo 25 avo heny ny sorabola natokan’ny fanjakana hividianana ny fanafody fandrindram-piterahana tao anatin’ny dimy taona. Tafakatra 2,6 miliara Ariary izany ny taona 2023, araka ny voalazan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Efa nankatoavian’ny filankevitry ny minisitra rahateo ny Drafitrasam-pirenena ho an’ny fandrindram-piterahana, taona 2024-2028.
Haharitra roa andro ny fihaonambe eny Anosy, ahitana ny sehatra rehetra voakasika manomboka amin’ny minisitera rehetra hatramin’ny mpiray ombon’antoka rehetra manohana an’i Madagasikara.

Vonjy A.

Partager sur: