Fanodinan-tsakafo: hasongadina ny fromazy malagasy

Hatao ny 17 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao, etsy amin’ ny zaridaina Antaninarenina, ny Foaran’ny fromazy aty afovoan-tany. Voakasik’izany ireo mpisehatra amin’ny ronono, ao anatin’ny faritra Analamanga, Itasy, Bongolava ary Vaki­nan­karatra. Miainga any amin’ny mpiompy ombivavy beronono, ny mpanangom-bokatra ary ny mpanodim-bokatra.

Andiany voalohany ity hatao ity, karakarain’ny M’Anja Events, tohanan’ny Malagasy Dairy Board (MDB) sy ny Federasion’ny trano fandraisam-bahiny sy ny fisakafoana eto Madagasikara (Fhorm), miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka hafa. Ho maimaimpoana ny fidirana.

Nambaran-dRajaofera Anjara, tompon’andraikitra ao amin’ ny M’Anja Events, fa hasongadina amin’ity hetsika ity ny fromazy sy ny vokatra ronono tena vita malagasy. Anisan’ny hampiavaka azy ny fisian’ny fotoana hisotroan’ny mpitsidika ronono mafana, ny fanandramana fromazy maimaimpoana, sy ny hafa.

Ankoatra ny varotra fampirantiana, misy toerana manokana hanomezan’ny MDB torolalana manodidina ny seha-pihariana. Ahitana tranoheva miisa 27 ka mpamokatra divay ma­lagasy ny roa, izay tsy afa-misaraka amin’ny fromazy.

Njaka A.

Partager sur: