Filoha lefitra fahafito eo anivon’ny Antenimierampirenena natolotry ny Firaisankina, ny depioten’i Toliary I, Randrianasoloniaiko Siteny. Avy amin’ny Irmar kosa ny kestora I, ny depioten’i Lalangina, Rivotiana Richard Jean Bosco sy ny kestora II, Andrianasolo Nadine, avy any Manakara. Tsy miankina ny kestora III, Vololomboahangy Tsiriniaina, Amparafaravola.
Nofidin’ireo depiote ho mpampakateny ny depiote voafidy tao Ambovombe Androy, i Milavonjy Andriasy Philobert avy amin’ny Irmar. Ny depiote avy amin’ny tsy miankina voafidy tany Tsiroanomandidy kosa no mpampakateny lefitra. Samy notanterahina,
afakomaly alina avokoa ny fifidianana azy rehetra ireo teny Tsimbazaza.
Nofidian’ireo depioten’ny Firaisankina ho filohan’ny vondrona parlemantera Firaisankina, eo anivon’ ny Antenimiera, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa ilaina ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa an-kitsim-po amin’ny asa hatao. “Fanampiny ihany ny isantsika fa ny firaisankina no hery ho antsika”, hoy izy.
Hiakatra fitsarana ny 16 jolay izao etsy Anosy, Raharimanana Patrick “Gasypatriote” sady filohan’ny antoko Vitantsika. Iampangana azy ny famoahana vaovao tsy nahazoana alalana ny 15 mey teo, momba ny fitsidiham-paritry ny filoha Rajoelina. Nanaparitaka izany fandaharam-potoana izany ny tenany. Niakatra fampanoavana ny 23 mey ary narahi-maso ara-pitsarana izy hatramin’izao.