Fetim-pirenena Frantsay : olom-panjakana maro niatrika ny lanonana

Tontosa omaly, teny amin’ ny « Residence de France » Ivandry, ny lanonana fankalazana ny fetim-pirenena fran­tsay, ho an’ny teto Madagasi­kara. Olom-panjakana sy olo-manankaja maro eto amin’ny firenena no tonga niatrika ny lanonana. Anisan’izany ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta teo aloha sy ireo masoivohon’ny firenena maro samihafa. Anisan’ny firenena manana ny maha izy azy eto amin’izao tontolo izao i Frantsa. Mpanohana sy mpiara-miasa akaiky amin’i Mada­gasikara ihany koa izy. Nia­rahaba sy nisaotra ny fitondram-panjakana frantsay ny Jly Sahavelo Monja Delphin, izay nitondra ny tenin’ny fitondram-panjakana nandritra ity lanonana ity. Hitohy hatrany ary vina ny hampivelarana ny fiaraha-miasa eo amin’i Ma­dagasikara sy Frantsa.
Sehatra maro no efa niarahan’i Madagasikara sy Frantsa niasa hatramin’izay. Anisan’ izany ny teo amin’ny lafiny fampianarana, ny fikajiana ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana. Mbola mitohy izany fiaraha-miasa izany ankehitriny. Misy ny tetikasa “Biotsika”, eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Eo ihany koa ny sehatry ny toekarena. Ny Frantsay izay mpamatsy vola fahefatra an’i Madagasikara. Eo ihany koa ny fitaterana an-tariby, izay fiaraha-miasan’ny roa tonta eo amin’ny lafiny fitaterana. Tsy hadino koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina, izay efa mandeha amin’izao fo­toana.

Lin

Partager sur: