Nifarana omaly ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny lefakozatra, andiany faharoa, tamin’ity taona ity. Naharitra efatra andro ny hetsika niarahana tamin’ireo mpisehatra momba ny fahasalamam-bahoaka. Tsy diso anjara tamin’izany ny teo anivon’ny fokontany Anosizato Atsinanana. « Mbola misy ny lefakozatra ka tsy tokony hatao antsirambina ny fahasalaman’ny ankizy », hoy ny sefo fokontany Anosizato Atsinanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Hanao didim-poitra maimaimpoana koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ny alalan’ny médecin inspecteur, anio, eny Anosizato Atsinanana, eo ambany fiahian’ny delege ny boriborintany fahefatra. « Fanampiana ny vahoaka sahirana no hanaovana izao didim-poitra manaraka ny fomba amerikanina izao. Dokotera matihanina no hanao izany », hoy izy. Nambaran’ity sefo fokontany ity fa anjaran’ny fokontany no mampita isam-baravarana ny politikam-panjakana. « Betsaka ny olona ka tsy tokony hiandry fanjakana foana vao hiasa. Ny olona no harena eto amintsika. Anjaran’ny sefo fokontany no mitarika ny vahoaka », hoy hatrany izy. Marihina fa anisan’ireo be mponina ny fokontany Anosizato Atsinanana.
Jean Claude