Madagaslam Section Tanà : manomana fifaninanana samihafa ny fikambanana

Zavakanto anisan’ny maro mpankafy sy miroborobo ny “Slam poésie”. Tsy mikely soroka ihany koa ireo tomponandraikitra manatevina ny fahaiza-manaon’ireo liana amin’izany.

Mikarakara hetsika momba ny « Slam Poésie », eny amn’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely), ny Mada­gaslam Section Tanà (MST). Hetsika natao ho an’ny mpiangaly Slam poésie, indrindra ireo vao misandratra. Tanjona ny hitrandrahana ireo talenta vaovaon’ity taranja ity eto amintsika. Raha tsiahivina, efa nisy ny hetsika sy fifaninana natao ho an’ny eny anivon’ny sekoly. Tsy ampy anefa izany, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra satria voafetra ihany ny ankizy afaka mandray anjara tamin’izany. Ity hetsika ity, araka izany, no hanomezana sehatra bebe kokoa ho azy ireo.
Atrikasa sy dinika arahina adihevitra no ho hita mandritra izany, eny amin’ny CGM, anio. Hitarika ny atrikasa i Tagman namgat sy Seth Seven. Mandritra ny tafa arahina adihevitra no hiresahina ny lohahevitra “Mouvement Slam: hier, aujourd’hui…” Jery todika ny lasa sy fiatrehina ny ankehitriny ary fametrahana vina amin’ny ho avy, araka izany, no hatao mandritra ity hetsika ity. Ao anatin’izany no hanomanana sahady ireo fifaninanana maro ho ataon’ny MST. Anisan’izany ny fifaninanana rejionaly sy nasionaly ary ny fifaninanana ho an’ny katita kely.
Anisan’ny zavakanto nentim-bahiny manana ny toerany eto Madagasikara ny Slam poésie. Na ankizy na tanora dia efa mirotsaka miangaly azy ity avokoa. Manana kali­tao ihany koa ny Slam poésie malagasy rehefa miakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha tsiahivina, laha­rana fahefatra no nisy an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany farany teo. Mbola mandray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ihany koa i Mada­gasikara, amin’ny alalan’i Konahy Junior. Fifaninanana izay atao any Togo, ny volana novambra 2024.

Lin

Partager sur: