Safidy goavana! Fa manana ny antony azy manokana, izay tsy mbola nambarany aloha hatreto i Arnaah. Eny, niverina ho Arnaah indray ny anarana entin’ity mpanakanto ity an-tsehatra, ary manaporofo izany ilay rakitsara vaovao, navoakany omaly. “Mavandy” ny lohateniny, izay hira noforonin’i Nofar Tafara, natao hifanaraka amin’ny feo sy ny gadona mety amin’i Arnaah, toy ny nahafantarana azy taloha.
Dia ahoana ilay Marinna Lemary, anarana nentiny fony izy nanapa-kevitra ny hiala amin’ny “hiran’izao tontolo izao”, ka hirona manontolo amin’ny fiderana an’Andriamanitra? Tsy mbola nahazoana fanazavana ihany koa ity mpanakanto ity, mahakasika izay.
“Heverinao moramora ramose, ny mameno ilay banga navelako e?”. Izany ny ampahan’ny tononkiran’ny “Mavandy”. Hira mifono hafatra ka miantefa amina olona manokana ve? Avela ny mpankafy azy haminavina. Ny azo antoka aloha, efa hiaka-tsehatra hiaraka amin’i Ceasar any Antalaha izy, ny 2 aogositra ary any Sambava, ny 3 aogositra. Hofongarina hanampy ireo hira vaovao ny taloha efa nampiriminy ela.
Zo ny Aina