Masinina haingam-pandeha

 

Miridana tsy misy ohatran’izany ny raharaham-pire­nena. Milomay mafy ny fametrahana ny olona hibaiko sy hitondra firenena. Poa toy izay, voarafitra ny birao maha­ritra ao Tsimbazaza. Tsy niandry ela ny fanendrena izay ho Praiminisitra. Ary anatin’ny fotoana fohy dia hiseho masoandro ny mpikambana anaty governemanta.
Misy dikany politika goavana izany fomba fiasa mirimorimo izany. Tsy mila mitarazoka fa mametraka ny ekipa hanao tongotra miara-mamindra, soroka miara-milanja. Ny tondro tokana tsy mahazo hao. Mila manao angare­dona raha te ho tafavoaka haingana amin’ilay fampandrosoana. Ny fiaraha-miasa miaraka rahateo no antoky ny fahombiazana.
Tsy azo atao ambanin-javatra rahateo ny toky nifanaovana tamin’ny vahoaka. Asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana izany. Efa latsaka an-katerena ilay fire­nena ka tsy maintsy vonjivonjena ny asa ho fanavotana. Tsy ho kobaka am-bava ny filamatra fa i Madagasikara tsy maintsy mandroso. Mitaky asa matotra sy haingana izany. Ny bainga voavadika ihany no porofon’ny asa vita. Miandrandra fatratra izany i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy.
Mifanindran-dalana amin’izay, manana adidy goavana ihany koa anefa ny vahoaka hoentina. Tsy ho mpiandry mahazo sy zatra toloram-potsiny. Mila mijoro ho hery mpanaitaitra sy mpisintona lakolosy ihany koa rehefa ilaina.

r.r

Partager sur: