Tsy nisy noraisina ny entana! Nitrangana firehetana tao amin’ny tsena fivarotana (box) iray ao amin’ny tsenan’ny Petite Vitesse, ny alakamisy alina teo. Fotoana fohy taorian’ny firehetana, tonga teo an-toerana namono ny afo ny mpamonjy voina. Haingana ny fifehezan’izy ireo ny afo ka tsy niitatra tamin’ireo tsena manodidina. Somary nananosarotra ny fifehezana ny afo satria nihidy ilay trano fivarotana. Voatery niroso tamin’ny fanapitsohana ny hidin-trano ireo mpamonjy voina nahafahana namono tanteraka ny afo. Nijoalajoala ny afo hatreny amin’ny tafon-trano. Nieren-doza, araka izany, ireo tsena manodidina satria nanao izay ho afany tamin’ny fifehezana ny afo ny mpamonjy voina. Tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto ny antony nahatonga ny firehetana fa araka ny fanazavan’ny mpamonjy voina, ahina ho fipoahana herinaratra no mety nitarika ny afo amin’ny fahavoazana toy izao. Levon’ny afo avokoa ny ankamaroan’ireo entana rehetra tao an-tsena. Na teo aza anefa ity firehetana ity, tsy nisy kosa ny naratra na namoy ny ainy. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany fa tampoka ny fiavian’ny loza.
J.C