Rehefa fady dia fady : mila omen-kasina indray ny ankohonana

Tsy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-piarahamonina malagasy. Tsy manaraka intsony ny lamina voajanahary, ny zava-misy. Voasarontsarona amin’ny « lafo ny fiainana », fa tsy misy sahy mampibaribary ny fototry ny olana…

Tranga misy any amin’ny ankohonana malagasy maro. Ray niteraka tsy mendrika ny ho fitaratry ny zanany. Reny nitondra sivy volana an-kibo, tsy mahavita manabe ny taranany intsony, noho ny asa aman-draharaha sahaniny hono… Tsy tazana sy tsy iainana ao anatin’ny ankohonan’ny Malagasy intsony ilay fisian’ny hasina ao aminy. Samy manao izay hitsin’ny sainy ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Maro aza ny mifamadi-drafitra, ka ny zanaka indray no mampita « anatra » any amin’ireo nahitany masoandro. Maty hasina ny ankohonana sasany. Noho izany, mila omen-kasina na velomin-kasina indray. Ny tokantrano malagasy tsirairay (indrindra fa ireo maty na very hasina) no mila manatanteraka izany.
Tsy zava-baovao teo amin’­ny Malagasy ny mamerin-kasina fa efa hainy sy niainany tany ambadik’Ima­nare­za. « Rehefa fady dia fady », hoy izy. Raha mbola ankohonana malagasy, manana ny fadiny, satria, manana ny ra­zany. Amin’izao vanim-po­toana izao, henatra ny filazana ny fady. Ho an’ny hafa aza, nanjary « finoana » ny fahalalana ny fady.
Ankoatra ny fanajana ny fady, ilain’ny ankohonana malagasy, ankehitriny, ny ma­mantatra ny momba azy. Maro amin’ny taranaka malagasy no tsy manana fototra noho io tsy fahalalana ny fototra io. Ny olona tsy misy fotony, mora mirona amin-javatra tsy azy akory. Mangalatra sy mirehareha amin’ny « zavatry » ny hafa.
… Zava-dehibe ho an’ny ankohonan’ny Malagasy, amin’izao vanim-potoana izao ny mamerin-kasina sy mifamerin-kasina. Tahaka izany ihany koa ny fahafantarana ireo rehetra momba ny fototra nipoirana. Raha ireo no tontosa, hipoitra hanaraka izany ny fitiavan-tanindrazana sy ny tena fahaleovantena!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: