Tanjona amin’ny Andraikitra sosialy raisin’ny orinasa (RSE) ny hitondra fampandrosoana maharitra. Andrasana ny lalàna mazava hifehy azy, iraisan’ny orinasa rehetra.
Natao ny 11 sy ny 12 jolay teo, teny amin’ny Novotel Ivandry, ny hetsika «Salon de la RSE», andiany fahasivy, nokarakarain’ny Innoveo. Maherin’ny 70 ireo tranoheva nandray anjara, nampahafantarin’izy ireo ny Andraikitra ara-tsosialy raisin’ny orinasa (RSE). Nikarakara ity hetsika ity ny Innoveo, nandraisan’ny orinasa, fikambanana, tetikasa, misandrahaka amin’ny sehatra marolafy.
Niray feo ireo nifandimby nandray fitenenana nandritra ny fanokafana ny fotoana, ny 11 jolay, fa zava-dehibe ny fampidirana ny paikady tsara maharitra sady tomponandraikitra samihafa eo amin’ny sehatra toekarena. Lohahevitra noraisina ny hoe «fahatongavan-tsaina miteraka asa, ahoana ny fomba hanafainganana ny fanamby napetraky ny rafitra tsirairay» ?
Maro ny hetsika nandritra izay roa andro izay. Teo ny fampirantiana sy fampahafantarana ny paikadin’ny tsirairay sy ny zava-bitany amin’ny lafiny fanampiana sosialy eo amin’ny fiarahamonina.
Famelabelaran-kevitra
Teo koa ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, miankina amin’ny lohahevitra isan-tsokajiny. Toy ny fijerena ny fomba handrindrana ny renivola ampiasain’ny orinasa, na ny fikambanana hisian’ny fampiasam-bola maharitra. Eo koa ny fitsinjovana ny tontolo iainana, mba hampirindra ny fitrandrahana ny harena voajanahary nefa mitondra fampandrosoana maharitra.
Anisan’ny nivoitra tamin’ny famelabelarana, omaly, 12 jolay, ny tolakandro, ny hiandrasana ny lalàna mazava avoakan’ny fanjakana hifehy ny RSE eto Madagasikara. Tokony ho voasoritra ao ny paikady hampanan-kery azy, mba tena hitondra fampandrosoana maharitra. Raha fintinina, avoaka ny lalàna lasitra, arahin’ny paikadim-pirenena, hivoahan’ny fandaharanasa entina hanatanterahana azy.
Njaka Andriantefiarinesy